Fiarovana ny tany, ny rano ary ny mponina

Ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny aroloza dia fepetra fototra iorenan’ny tetikasa.
Tsotra ny foto-kevitra ijoroan’i Vara Mada: ny zavatra manohana ny aina, ny rano, ny tany ary ny fiarahamonina dia tsy maintsy arovana amin’ny dingana rehetra.

Ny andry fototra tandremanay

Fitantanana ny rano

Fitantanana ny rano

Laharam-pahamehana ny rano eto amin'ny faritra noho ny olana ara-pisitrahana rano Ny tetikasa dia novolavolaina mba: hampiasa loharano tsy mifanindry amin’ny rano fampiasan'ny mponina, hamerina hampiasa ny rano ao anatin'ny ozinina, hanara-maso tsy tapaka ny kalitaon’ny rano Tsy haitraitra ny fiarovana ny rano fa adidy

Fiarovana amin'ny taratra

Fiarovana amin'ny taratra

Misy mineraly vitsivitsy ao anatin’ny fasika efa misy taratra voajanahary na radioactivité amin’ny taha ambany dia ambany. Tsy mamorona akora misy taratra vaovao ny tetikasa. Mampihatra fenitra iraisam-pirenena hentitra izahay amin'ny fitantanana ny taratra efa misy voajanahary mba hiantohana ny arolozan’ny mpiasa, ny mponina, ary ny tontolo iainana. Mitohy tsy tapaka ny fanaraha-maso izany.

Ny fahasamihafana ara-biôlôjia sy ny famerenana amin'ny laoniny ny tany

Ny fahasamihafana ara-biôlôjia sy ny famerenana amin'ny laoniny ny tany

Dingana maromaro no lalovan'ny tetikasa, ary miroso amin'ny famerenana ny tany amin'ny laoniny ny orinasa isaky ny vita ny dingana iray amin'ny fitrandrahana. Tandrovana tsara ny zava-maniry sy ny tany Averina amin'ny toerana nisy azy ny fasika rehefa vita ny asa fanasarahana Haverina amin'ny laoniny ny tany afaka taona vitsy Mandalo ihany ny fitrandrahana, fa maharitra kosa ny fanarenana ny tany.

Karazana fomba fitrandrahana miavaka

Vara Mada dia mampiasa fomba fitrandrahana fasika misy mineraly izay tsy mitovy amin’ny fitrandrahana mahazatra. Tsy mampiasa akora simika na fitaovana apoaka izy. Ny mineraly dia sarahina amin'ny alalan'ny fampiasana hery misintona sy fanasarahana amin'ny fomba magnetika. Ny ankamaroan’ny akora dia averina amin’ny tany

Ireo tondro

Kalitaon’ny rano

Arahi-maso tsy tapaka ny kalitaon’ny rano mba hadio hatrany ka tsy ho voaloto.

Rivotra sy vovoka

Arahi-maso tsy tapaka ny tahan’ny vovoka mba hiarovana ny vondrom-piarahamonina manodidina.

Haavon’ny taratra

Refesina sy fehezina araka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fiarovana.

Fahasamihafan’ny zavamananaina

Arahi-maso tsy tapaka ny tontolo iainana mba hanamora ireo asa fiarovana sy fanarenana ny tany.

Aro-loza eo amin'ny toerana fiasana

Ny fiarovana dia fitsipika fototra amin’ny asa rehetra. Ny fomba fiasa, ny fampiofanana ary ny fitaovana dia natao hisorohana ny loza sy hiaro ny mpiasa amin’ny fotoana rehetra. Ny tontolo iasana azo antoka dia fepetra takiana mialoha amin’ny tetikasa.

Fiarovana ireo tanàna manodidina

Ny fiarovana ny vondrom-piarahamonina manodidina dia tena manan-danja amin'ny tetikasa. Ny asa dia voalamina mba hisorohana ny fiantraikany ratsy amin’ny fiainana andavanandro, amin’ny alalan’ny: fizotran’asa voafehy, fanaraha-maso tsy tapaka, fifandraisana tsy tapaka amin’ny vondrom-piarahamonina. Ny tanjona dia tsotra: hahazoana antoka fa afaka miaina am-pilaminana miaraka amin’ny tetikasa ny olona

Tahirin-kevitra

2026

Governance and compliance overview

01/27/2026

Anti-Bribery and Anti-Corruption Policy

01/27/2026

Cash Investment Policy

01/27/2026

Charter of the Audit Committee

01/27/2026

Charter of the Compensation Committee

01/27/2026

Charter of Environment, Health, Safety and Sustainability Committee

01/27/2026

Charter of the Governance and Nominating Committee

01/27/2026

Clawback Policy