
Tetikasa maharitra ho an’ny tapany atsimon’i Madagascar
Tetikasa eo an-dalam-panombohana eto amin’ny faritra Atsimo-Andrefana i Vara Mada. Ny tanjona dia ny hamadika ireo harena voajanahary ho tombontsoa maharitra ho an’ny vahoaka, ny faritra, ary ho an’i Madagasikara manontolo.
Manome toky izahay hanatanteraka ny asa amin’ny fomba mangarahara, hanohy hatrany ny fifanakalozan-kevitra, ary hanaja ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny dingana rehetra.
Nandritra ny taona maro
Nivoatra hatrany ny tetikasa Vara Mada. Ny zava-dehibe aminay ankehitriny dia ny fomba hanatanterahana azy: fomba fiasa vaovao, fenitra vaovao ary vina lavitra ezaka, mifantoka amin’ny tombontsoa maharitra, ny fandraisana andraikitra ary ny fampifanarahana na asa sahanina amin’ny zava-misy eo an-toerana.
2024
Tompon’ny orinasa vaovao sy fampandehanana ny tetikasa
Miditra amin'ny dingana vaovao ny tetikasa rehefa lasan'i Energy Fuels: fanamafisana ny fitantanana, fampifanarahana amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy fifampiresahana tsy tapaka amin’ny fiarahamonina.

2020–2023
Fanadihadiana ara-teknika sy famolavolana ny tetikasa
Nandritra izany dia nitohy ny asa teknika sy ara-tontolo iainana ary ny famolavolana ny tetikasa ho fanatsarana sy ho fiomanana amin'ny fampandehanana tetikasa maharitra.

2019
Fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy tontosa
Nahazo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny tetikasa taorian’ny fanatanterahana ny Tomban'ny fiantraika ara-tontolo iainana sy sôsialy (ESIA), izay rafitra voalohany amin’ny fampandrosoana tetikasa tomponandraikitra.

Ireo dingana manaraka
Miditra amin’ny dingana vaovao ny tetikasa. Tsy afaka hanomboka ny fanorenana raha tsy tontosa avokoa ary nankatoavina ireo fepetra fototra.
2026–2027
Fankatoavana farany sy fanomanana
Famaranana ny fifanarahana momba ny fampiasam-bola sy fanavaozana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana,mifanindran-dalana amin’ny fitohizan’ny asa teknika sy ny fifampiresahana amin’ny fiarahamonina.

2028–2030
Fanorenana sy fanombohana tsikelikely ny fitrandrahana
Dingana fanorenana, firosoana tsikelikely amin'ny asa fitrandrahana rehefa nahazo fankatoavana avokoa ny fepetra takian'ny lalàna sy ny lafiny tontolo iainana.

Ahoana no fomba fiasan'ny tetikasa
Fitrandrahana natao hametra ny mety ho fiantraka amin'ny tontolo iainana
Tsy mampiasa akora simika na fitaovana fanapoahana ny fitrandrahana fasika mineraly, fomba tsotra no ampiasaina hamerana ny mety ho fiantraika amin’ny tontolo iainana.
Fanasarahana amin'ny fomba natoraly
Ny mineraly dia sarahana amin’ny alalan’ny herin(ny vesatra sy andremby, mba tsy hisian’ny fiovana ara-tsimika, sy hampihenana ny loza ateraky ny fandotoana.
Famerenana miandalana ny tany amin'ny laoniny
Aorian’ny fitrandrahana, dia averina amin’ny laoniny miandalana ny tany mba hiverenany amin’ny endriny teo aloha sy ahafahana mampiasa azy indray afaka taona vitsy.
Fantatrao ve?
Tsy mampiasa akora simika ny fitrandrahana
Averina amin'ny toerana nakana azy ny ampahany betsaka amin'ny fasika
Manaraka fitsipika hentitra ny fitantanana ny rano
Voafetra ara-potoana ny asa fitrandrahana, ny famerenana amin'ny laoniny kosa dia mitohy mandritra ny fotoana maharitra

Toerana
Ao amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, akaikin’i Toliara, tapany atsimon’i Madagasikara no misy ny tetikasa Vara Mada.
Faritra voafaritra araky ny lalàna no misy ny tetikasa, ary ny asa atao dia atao am-pitsinjovana ny fiarahamonina manodidina, ny tontolo iainana ary ny fepetra mifehy ny tontolo iainana,

Hevitry ny tetikasa
Mifandraisa aminay
