Fantaro ny momba ny tetikasa

Fantaro ny momba ny tetikasa

Inona moa Vara Mada? Aiza no misy azy? Inona no hitranga, rahoviana? Valiny tsotra sy mazava hanampy ny rehetra hamantatra miandalana ny tetikasa,

Fiaraha-monina

Fiaraha-monina

Zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin'ny fiarahamonina. Amin'ny alalan'ny fifampiresahana, ny fanajana ny zava-misy eo an-toerana, sy ny fikatsahana hitondra tombontsoa ho an'ny olona ao amin'ny faritra no handrosoan'ny tetikasa.

Fiarovana ny tany

Fiarovana ny tany

Tsy safidy fa adidy ny fiarovana ny rano, ny tany sy ny zavamananaina. Fepetra ilaina izany ahafahana mampandeha ny tetikasa anio sy hitohizany amin'ny ho avy,

Ny mangarahara sy ireo tarehimarika manan-danja

Ny zava-misy marina no ahafahana mahazo tsara ny tetikasa Mizara ireo tarehimarika manan-danja izahay mba hanazavana ny anjara toeran'i Vara Mada amin'ny resaka asa, ny fiarahamonina ary ho an'i Madagasikara iray manontolo, Ny tarehimarika dia vinavina ary havaozina tsy tapaka arakaraka ny fandrosoan'ny tetikasa,

Ny mangarahara sy ireo tarehimarika manan-danja

+4K
Asa mihoatra ny isa Mandritra ny dingana fanorenana
+6k
Asa mihoatra ny isa Rehefa mandeha ny fitrandrahana
300 M
USD tapitrisa dolara amerikana Ampiasaina amin'ny fandaharanasa ho an'ny fiarahamonina sy ny lafiny sôsialy,
Tsy soratra vakiana anaty boky no atao hoe fampandrosoana, fa tokony ho zavatra ampiharina sy iainana isan'andro ao an-tokantrano, any amin'ny toeram-piasana, ary eny amin'ny fiarahamonina,
Mpikambana ao amin'ny fiarahamonina eto Atsimo-Andrefana

Olona mipetraka eo an-toerana

Mifandraisa aminay

Manana fanontaniana, ahiahy na fangatahana ve ianao ? Vonona hihaino sy hamaly anao ny ekipanay