
Fiarovana ny tany, ny rano ary ny mponina
Ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny aroloza dia fepetra fototra iorenan’ny tetikasa.
Tsotra ny foto-kevitra ijoroan’i Vara Mada: ny zavatra manohana ny aina, ny rano, ny tany ary ny fiarahamonina dia tsy maintsy arovana amin’ny dingana rehetra.
Ny andry fototra tandremanay

Fitantanana ny rano
Laharam-pahamehana ny rano eto amin'ny faritra noho ny olana ara-pisitrahana rano Ny tetikasa dia novolavolaina mba: hampiasa loharano tsy mifanindry amin’ny rano fampiasan'ny mponina, hamerina hampiasa ny rano ao anatin'ny ozinina, hanara-maso tsy tapaka ny kalitaon’ny rano Tsy haitraitra ny fiarovana ny rano fa adidy

Fiarovana amin'ny taratra
Misy mineraly vitsivitsy ao anatin’ny fasika efa misy taratra voajanahary na radioactivité amin’ny taha ambany dia ambany. Tsy mamorona akora misy taratra vaovao ny tetikasa. Mampihatra fenitra iraisam-pirenena hentitra izahay amin'ny fitantanana ny taratra efa misy voajanahary mba hiantohana ny arolozan’ny mpiasa, ny mponina, ary ny tontolo iainana. Mitohy tsy tapaka ny fanaraha-maso izany.

Ny fahasamihafana ara-biôlôjia sy ny famerenana amin'ny laoniny ny tany
Dingana maromaro no lalovan'ny tetikasa, ary miroso amin'ny famerenana ny tany amin'ny laoniny ny orinasa isaky ny vita ny dingana iray amin'ny fitrandrahana. Tandrovana tsara ny zava-maniry sy ny tany Averina amin'ny toerana nisy azy ny fasika rehefa vita ny asa fanasarahana Haverina amin'ny laoniny ny tany afaka taona vitsy Mandalo ihany ny fitrandrahana, fa maharitra kosa ny fanarenana ny tany.

Karazana fomba fitrandrahana miavaka
Ireo tondro
Kalitaon’ny rano
Arahi-maso tsy tapaka ny kalitaon’ny rano mba hadio hatrany ka tsy ho voaloto.
Rivotra sy vovoka
Arahi-maso tsy tapaka ny tahan’ny vovoka mba hiarovana ny vondrom-piarahamonina manodidina.
Haavon’ny taratra
Refesina sy fehezina araka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fiarovana.
Fahasamihafan’ny zavamananaina
Arahi-maso tsy tapaka ny tontolo iainana mba hanamora ireo asa fiarovana sy fanarenana ny tany.

Aro-loza eo amin'ny toerana fiasana
